Logo République

Articles

Temps de lecture : 5 minutes

Atrikasa mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran'ny fiaraha-monina hiomanana amin'ny rivodoza sy ranobe.

2 octobre 2026 – Manatanterakana atrik'asa mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina hiomanana amin’ny rivodoza sy ny ranobe eto amin'ny Faritra Analanjirofo ny BNGRC.

post
post
VONJY AINA
C50A8604
C50A8657
C50A8709
269801969_2859971294294337_6319139568615300208_n
269802609_2859963704295096_2259450531778209249_n
269821018_2859963870961746_5947177218130737616_n
Manatanterakana atrikasa mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina hiomanana amin’ny rivodoza sy ny ranobe eto amin'ny Faritra Analanjirofo ny BNGRC. Marihina etoana moa fa anisany voasokajy ho Faritra marefo manoloana ny rivodoza sy ny ranobe ny Faritra Analanjirofo. Nanomboka ny 21 Desambra 2021 ao amin’ny Hotel Saya Fenoarivo Atsinanana izany atrik'asa izany ary haharitra telo (03) andro. Mandray anjara feno ao anatin’ny izany ireo tompon’andraikitra rehetra eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana, ireo Ben’ny tanana, ary ireo fikambanana mpiantsehatra amin’ny tandindondoza sy ny loza eto anivon’ny faritra. Mahatratra eo amin'ny telom-polo (30) eo ho eo ny mpandray anjara amin'izany. Ny UNICEF no mpiara-miombon’antoka mamatsy ara-bola sy ara-pitaovana ny atrikasa. Teo ihany koa ny vovonana nationaly misahana ny serasera ho an’ny fiovana sy ny serasera ho amin’ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza izay tarihin’ny BNGRC izay nandrindra sy nandamina ny fotoana rehetra. Telo ny tanjona napetraka hotratrarina mandritra ny atrikasa dia ny famolavolana drafitr’asa hanatsarana ny paikadin-tserasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina ho fiatrehana ny rivodoza sy ny ranobe aty amin’ny Faritra Analanjirofo manontolo, ny fanamafisana ny fandrindrana ireo asan-tserasera sy fampandraisana anjaran’ny fiaraha-monina rehetra misy ety an-toerana mba hametrahana fandaminana ho fanatsarana ny SRCA Analanjirofo ary ny famitana sy ny fandaniana ny drafitr’asa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tompon'andraikitra eo anivon’ny faritra ary ireo mpiantsehatra eny ifotony mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina.

246 Vues

Partager