Articles
Temps de lecture : 5 minutes
ATRIKASA FAMPIVONDRONANA IREO MPANAO GAZETY TAO MORONDAVA.
23 mars 2023 – Nosokafana ny 21 Martsa 2023 tao Morondava ny atrikasa fampivondronana ireo mpanao gazety an-tsary s...



Nosokafana ny 21 Martsa 2023 tao Morondava ny atrikasa fampivondronana ireo mpanao gazety an-tsary sy an-tsoratra ao Menabe, izay Andriamatoa Préfet ny Morondava sy ny Ramatoa Talen'ny ODDL no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy. Atrikasa hanatsarana ny kalitaon'ny fampahalalam-baovao ka hahamora ny fahazahoana vaovao ho an'ny vondrom-piarahamonina rehetra,indrindra ny any amin'ireo faritra atahorana amin'ny fiantraikan'ny rivodoza sy ny ranobe. Voasolon-tena avokoa ireo mpiserasera avy amin'ny Distrika 05 (dimy) ao amin’ny Faritra Menabe ,dia ny Distrikan'ny Morondava, Miandrivazo, Mahabo, Belo/Tsiribihina ary Manja. Marihina fa naharitra ny 02 andro ny fanantanterahana ity atrikasa ity izay notohanan'ny UNICEF arabola , ny ODDL no namolavola izany ary ny BNGRC no teo amin’ny tantsoroka sy ny nandray an-tanana ny teo amin’ny lafiny teknika dia ny fampiofanana ireo mpanao gazety. #MID #BNGRC #ODDL #UNICEF
246 Vues

