Articles
Temps de lecture : 5 minutes
CCOK Ampanihy: mitohy hatrany ny fitantanana ny ady amin'ny kere aty atsimon'ny nosy.
2 octobre 2026 – Mitohy ny asa ary mipetraka ho vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehan’ny fanjakana hatrany ny ady amin’ny Kere ho an’ny vahoaka aty atsimon’ny Nosy.









Mitohy ny asa ary mipetraka ho vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehan’ny fanjakana hatrany ny ady amin’ny Kere ho an’ny vahoaka aty atsimon’ny Nosy. Araka izany dia nanome fanampiana ho an’ireo vahoaka iajadian'ny tsy fanjarian-tsakafo sy tsy fahampian-tsakafo eto amin’ny Distrikan’ny Ampanihy Andrefana tamin’ny alalan’ny BNGRC ny Fanjakana Malagasy. Kaominina efatra (04) no nosafidiana hanatannterahana izany hetsika izany noho izy ireo ahitana mpifindra monina maro noho ny Kere ary koa tsy anisan’ireo Kaominina misitraka ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny Kaominina Ankiliabo, ny Kaominina Maniry, ny Kaominina Gogogogo ary ny Kaominin’ny Beroy Sud. Ireto avy ary ny fanampiana natolotra tamin'izany: vary fito ambin'ny folo sy dimanjato taonina (17,5T) sy menaka valopolo sy eninjato litatra (680 L) ho an’ny fianakaviana miisa efatra amby efapolo sy sivin-jato sy sivy arivo (9944) .
246 Vues

