Logo République

Articles

Temps de lecture : 5 minutes

ATRIKASA : NY FAHAFAHAN'IREO FOTODRAFITRASA MAHAKASIKA NY LALANA HIATRIKA NY FIANTRAIKAN'IREO KARAZANA VOINA SY NY FIOVAN'NY TOETRANDRO.

2 octobre 2026 – Nandray anjara feno tamin’ny atrikasa ara-teknika ho famolavolana ny drafitra nasionaly miompana ami...

IMG-20230328-WA0030
IMG-20230328-WA0030
IMG-20230328-WA0029
IMG-20230328-WA0031
IMG-20230328-WA0032
IMG-20230328-WA0033
IMG-20230328-WA0034
WhatsApp Image 2023-03-28 à 16.00.03
WhatsApp Image 2023-03-28 à 16.01.31

Nandray anjara feno tamin’ny atrikasa ara-teknika ho famolavolana ny drafitra nasionaly miompana amin’ny fanohizana ny asa aman-draharaha mandritra ny loza na ny hamehana eo sehatrin’ny lalana eto Madagasikara ny BNGRC, izay tanterahina ao Antsirabe mandritra ny roa andro dia ny 27 sy ny 28 Martsa 2023.

Ny tanjona amin’izany dia ny fanangonana ireo antotan-kevitra ahafahana manamboatra ny drafitra sy fijerena sahady ireo asa tokony hatao ho laharam-pahamehana mahakasika ny sehatrin’ny lalana sy fitanterana rehefa misy ny loza.

Notontosaina niaraka tamin’ny tetikasa PACT (Projet d’Appui à la Connectivité du Transport), izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena izany atrikasa izany ary iarahan’i CPGU sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny BNGRC, MTP, MTT, MPPSPF.



#MID
#BNRC
#CPGU
#PACT



246 Vues

Partager