Logo République

Articles

Temps de lecture : 5 minutes

BNGRC - CARAVANE HUMANITAIRE : NAHAZO NY ANJARA FANAMPIANY NY KAOMININ’NY MAHABOBOKA DISTRIKAN'I SAKARAHA.

2 octobre 2026 – Fianakaviana 147 tafo na olona mahery ny 700 no traboina teto amin'ny Kaominin’ny Mahaboboka noho ny...

12
12
2
3
4
5
6
7
8

Fianakaviana 147 tafo na olona mahery ny 700 no traboina teto amin'ny Kaominin’ny Mahaboboka noho ny rotsak'orana nentin'ilay rivodoza Freddy, ankoatran'ny fahasimbana teo amin’ny trano fonenana dia ny fahasimbana teo amin’ny fambolena no voalaza fa mampanahirana ny mponina any an-toerana ka izany indrindra no nahamaika ny teto anivon’ny BNGRC nanao laharam-pahamehana nanatitra fanampiana ho an'ity Kaominina ity ao anatin'ilay hetsika ‘’Caravane humanitaire’’ ka vantany vao nahazo ny anjarany ny tao Sakaraha dia naterina ihany koa ny anjara fanampiana ho an'ny Kaominina Mahaboboka.

Fizarana izay natao ampahibemaso teo ambany mason'ny solotenan'ny BNGRC izay nanatitra ny fanampiana tany an-toerana sy ny Délégué any an-toerana ary ny Ben'ny Tanàna lefitry ny Kaominina notronin'ireo lehiben'ny fokontany 10 mandrafitra ny Kaominina Mahaboboka.

.

.

#MID

#BNGRC

#PrésidencedelaRépublique

#DASP

#PAM



246 Vues

Partager