Temps de lecture : 5 minutes
BNGRC - CARAVANE HUMANITAIRE : NITOHY TAO ANKAZOMBALALA NY FANOMEZANA FANAMPIANA AO ANATIN'NY DISTRIKAN'I BETIOKY ATSIMO.
2 octobre 2026 – Voakasik'ilay rivodoza FREDDY ihany koa ny kaomina Ankazombalala ao anatin'ny Distrikan'i Betioky At...









Voakasik'ilay rivodoza FREDDY ihany koa ny kaomina Ankazombalala ao anatin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo.Ka ho fanarenana ny fianan'ny mponina dia nandalo tany an-toerana ny 'Caravane Humanitaire' izay natao hanampiana ny ara-tsakafon' ny mponina noho ny fahavoazana.
Fianakaviana 631 no nojerena manokana izay nahitana olona 3 155 isa.
Samy nahazo vary 10kg , voamaina 3kg ary menaka 1 litatra avokoa ireo tokantrano ireo.
Niarahan'ny solotenan'ny BNGRC izay tonga nanatitra ny fanampiana tamin' Andriamatoa SOJA, Ben'ny tanànan'i Ankazombalala nisalahy moa ny fizarana ireto fanampiana ireto tamin'ireo vahoaka mpisitraka izany.
.
.
#PrésidencedelaRépublique
#MID
#BNGRC
#DASP
#PAM
246 Vues

