Logo République

Articles

Temps de lecture : 5 minutes

CARAVANE HUMANITAIRE, FARITRA ATSIMO ATSINANANA, DISTRIKAN'I VONDROZO : KAOMININA MAHAZOARIVO,MANAMBIDALA,MAHATSINJO,AMBODIRANO.

23 juin 2023 – CARAVANE HUMANITAIRE, FARITRA ATSIMO ATSINANANA, DISTRIKAN'I VONDROZO. MITOHY NY FIZARANA FANAMPIANA...

38
38
1
2
3
4
5
6
7

CARAVANE HUMANITAIRE, FARITRA ATSIMO ATSINANANA, DISTRIKAN'I VONDROZO. MITOHY NY FIZARANA FANAMPIANA ARA-TSAKAFO ATAON'NY FITONDRAM-PANJAKANA HO AN'NY KAOMININA MAHAZOARIVO,MANAMBIDALA,MAHATSINJO,AMBODIRANO.

Tonga hatrany amin'ireo kaominina ny fanampiana na dia misy olana aza ny lalana, ary tonga eny an-toerana ireo iraky ny fitondram-panjakana avy amin'ny alalan'ny BNGRC mizara ireo fanampiana. Ny kaominina Mahazoarivo dia nandehanana fiara tsy mataho-dalana mandritry ny 6 ora miala avy ao Farafangana mihazo ny Fokontany Mazavalala , avy eo dia miampita lakana, ary lalana 4km atao dian-tongotra 40 mn, ireo kaominina 3 Manambidala, Mahatsinjo, Ambodirano kosa dia tongan'ny fiara tsy mataho-dalana avokoa. Hita fa tena mbola sahirana ara-pivelomana ireo mponina satria ny hanina hohanina androany tadiavina androany, ary rehefa tsy mahita dia mitady izay hitany eny atao sakafo. Anisan'ny mamaha ny olany ara-tsakafo ny fahatongavan'ny fitondram-panjakana avy amin'ny alalan'i BNGRC mitondra fanampiana ho azy ireo, fianakaviana 200 isaky ny kaominina no misitraka izany ka vary 12, 5kg, menaka 1L ary voamaina 3kg no anjara isan-tokatrano. Ho an'ny kaominina Mahazoarivo, Manambidala, Mahatsinjo, Ambodirano izany dia 13, 2 taonina no fitambaran'ireo entana azo, ary 800 fianakaviana no fitambaran'ireo nisitraka . Ny fizarana moa dia natrehin'ny lehiben'ny Distrika, ny Ben'ny tanana, ireo lehiben'ny Fokontany sy ireo olobe eny an-toerana . Ireo fanampiana ire dia avy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny olomasin'ny andro farany izay fiaraha-miasa iarahany amin'ny BNGRC .

.

.

#MID

#BNGRC

#FIANGONAN'NY JESOA KRISTY HO AN'NY OLOMASIN'NY ANDRO FARANY








246 Vues

Partager