Logo République

Articles

Temps de lecture : 5 minutes

FANAMPIANA AVY AMIN'NY SAODIANINA HO AN'NY VAHOAKA TRABOINA VOKATRY NY FANDALOVAN'NY RIVODOZA TETO MADAGASIKARA.

11 avril 2023 – Ny Alatsinainy 10 Aprily 2023 dia tonga teto anivon'ny BNGRC ireo solotenan'ny firenena Saodianina n...

AY0A9534
AY0A9534
AY0A9478
AY0A9482
AY0A9511
AY0A9513
AY0A9519
AY0A9525
AY0A9531

Ny Alatsinainy 10 Aprily 2023 dia tonga teto anivon'ny BNGRC ireo solotenan'ny firenena Saodianina nitondra fanampiana ho an'ny vahoaka malagasy traboina tamin'ny fandalovan'ny rivodoza teto Madagasikara, vola mitentina roa tapitrisa dolara no hatolotr'izy ireo hividianana sakafo hamonjena ireo vahoaka traboina, marihina fa tsy vao sambany akory izao fanampiana ataon'ny Saodianina izao.

Fisaorana feno no natolotry ny Tale Jeneralin'ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja, ary nanome toky hatrany fa tsy maintsy ho tonga any amin'ireo vahoaka sahirana ireo fanampiana ireo.

Ny faritra Vatovavy, indrindra fa ny distrikan'ny Nosy varika no hanaterana ny fanampiana manaraka.

'Zava-dehibe ny fitsinjovana ny vahoaka malagasy sy ny fitohizan'ny fiarahamiasa hatrany'.

#MID

#BNGRC

#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza



246 Vues

Partager