Logo République

Articles

Temps de lecture : 5 minutes

GSTIC : Atrikasa fanaovana jery todika ny asa vita hanatsarana ny fomba fiasa

2 octobre 2026 – Tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy tamin’ity taom-pahavaratra 2021-2022 ity, dia niara-ni...

292686780_492429659597096_8327735826678481611_n
292686780_492429659597096_8327735826678481611_n
292261795_492428096263919_8993325555528440228_n
292284366_492428966263832_44831043367874721_n
292321839_492429682930427_6698324540885351132_n
292345751_492427719597290_8062866668104901495_n
292370975_492429386263790_7643058231614819908_n
292391760_492429342930461_2597458983120951728_n (1)
292391760_492429342930461_2597458983120951728_n

Tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy tamin’ity taom-pahavaratra 2021-2022 ity, dia niara-nivondrona indray ireo mpisehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra na « Nouvelles Technologies de l’Information et de la Communication » ao anatin’ny GSTIC (Groupe Sectoriel Technologies de l’Information et de la Communication) nanatanteraka atrikasa fanaovana jery todika ny asa vita tamin’ny lasa ahafahana manatsara ireo paik’ady entina miatrika ny taom-pahavaratra manaraka. Ny GSTIC dia anisan’ireo rantsa-mangaika niara-nisalahy tamin’ny fanjakana nandritra ireny vanim-potoanan’ny rivodoza ireny. Tao anatin’izany ohatra ny fanaovana tombana ny fahasimbana tamin’ny alalan’ny fampiasana « drones », sy ireo fanangonam-baovao samihafa ahafahana mamaly ny filan’ny vahoaka izay niaram-boina.

Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny fanatsarana ny fahaizana mifehy ny teknolojia momba ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza. Zava-dehibe tokoa ny fampiasana fitaovana manaraka ny toetr’andro eo amin’ny lafin’ny fifandraisan-davitra entina manafaingana ny fampitam-baovao ahafahan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga mandray fepetra ara-potoana.Tafiditra tanteraka ihany koa ao anaty paik’ady nasionalin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza ny fanaovana jery todika ny asa vita entina manatsara ny fomba fiasa ao anatin’ny fiomanana sy ny fitantanana ny hamehana.

Naharitra roa andro ity atrikasa ity izay notanterahina tao amin’ny « Hôtel Carlton », nanomboka ny Talata 05 Jolay 2022. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier izay notronin’Andriamatoa Cherif Mahmoud, Chef de Section ITC eo anivon’ny Programme Alimentaire Mondial (PAM).

Ny Programme Alimentaire Mondial(PAM) moa no mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanantontosana ny atrikasa.

246 Vues

Partager