Articles
Temps de lecture : 5 minutes
VANGAINDRANO : MITOHY NY FIZARANA FANAMPIANA HO AN'IREO MPONINA TRATRY NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA AMIN’NY ALALAN’NY BNGRC
2 octobre 2026 – Distrika tsy nahenoana mosary na kere hatramin'izay ny distrikan'i Vangaindrano noho izy mbola manan...









Distrika tsy nahenoana mosary na kere hatramin'izay ny distrikan'i Vangaindrano noho izy mbola manana tany lonaka ho amin'ny fambolena , ny toetany sy ny toetrandro rahateo mety tsara amin'io fambolena io fa noho ny nafitsok'ireo rivodoza nifanesy izay nanimba ny seha-piarian'ny mponina dia sahirana ny mponina noho ny tsy fisian'ny eo antanana, ambonin'io maro ireo olona izay niary tamin’ny faritra arovana no nalana tao amin'io faritra io ka voatery nifindra toerana , ireo antony ireo no nahatonga an'ity mosary ity aty antoerana vokany vodivia sy veoveo sisa no nohanin'ny mponina noho ny tsy fahitana toerana ambolena ,sarotra ihany koa ny fampidiram-bola ho an'ny isan-tokantrano, etsy andaniny ny haratsin'ny lalana tsy nahafahana namoaka ireo vokatra kely teo ampelatanana Taorian'ny fanadihadiana natao miampy ny tatitry ny solotenam-panjakana (olomboafidy sy olomboatendry) taty ifotony dia nidina avy hatrany ny ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny BNGRC nitondra fanampiana hanarenana ny fiainan'ny mponina. Tonga teny ifotony mihitsy ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Vangaindrano, Sefo Distrikan’i Vangaindrano, ireo mpikambana ao amin’ny OMC : mpampanoa lalàna, mpanampy parlemantera , komandin’ny kaompanian’ny zandarimaria, kaomisera ny Polisy ao Vangaindrano, nizara ireo fanampiana ara-tsakafo izay avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy ireo . Fanampiana ara-tsakafo, vary milanja 35 taonina no nozaraina an’ireo kaominina 7 ao amin’i Distrikan’i Vangaindrano, Faritra Atsimo atsinanana izay samy nahazo 5 taonina isaky ny kaominina. Ratsy tokoa ny lalana mandeha amin’ireo kaominina 7 ireo, misy aza ny tsy tongan’ny fiara mihitsy ka ireo mponina amin’ilay toerana ihany no nibata ireo vary izay natao tamin’ny alalan'ny dia an-tongotra amina kilometatra misimisy ihany. Ny kaominina Ambatolava, Vatanato, Bevata, Ambongo, Ranomena, Karimbary, Lohafary dia samy nahazo vary 5 taonina avy izay nozaraina amin’ireo tena tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ilay toerana. Vonjiranovaky ity fanampiana natao ity fa mbola hisy ny fanomezana hatao arakaraky ny fahafaha-miarina eo amin'ireo vahoaka ianjadian'ity tsy fahampiana ara-tsakafo ity. . . #MID #BNGRC
246 Vues

